Ny sakafon'ny olona voan'ny godro

FANDANJALANJANA NY SAKAFON’NY OLONA MARARIN’NY GODRO

 

Inona no atao hoe Godro na "Goutte"?

  • Aretina vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny « acide urique » anaty vatana ny godro.
  • Rehefa mihetsika ny godro dia marary ny vanin-taolana (matetika eny amin’ny ankibe na lohalika).
  • Mety hiteraka “tophus”(karazana fivontosana eny amin’ny vatana ivelan’ny vanin-taolana) sy aretin’ny voa koa ny godro
  • Raha ny fivoaran’ny godro kosa no jerena dia azo zaraina 2 izany:

                 - Ny « crise de goutte »: fanaintainan’ny vanin-taolana mandritry ny fotoana voafetra.

                 - Ny « goutte chronique »: fahasimban’ny taolana sy ny vanin-taolana, fisian’ny fivontosana na « tophus », aretin’ny voa.

Inona ny sakafo tokony hanina sy ny tsy tokony hanin'ny marary?

Tsara raha:

  • Ferana ny sakafo ho an’ireo olona matavy loatra, izany hoe atao izay hampihenana vatana.
  • Misotro rano betsaka:  mihoatran’ny 2 litatra isan’andro (rano tsy misy gaz). Ampitomboina aza izany raha toa ka tsemboka be loatra (andro mafana, fampiasana vatana).
  • Ferana ny fihinanana sakafo be “purines”.

Sakafo azo hanina

Sakafo ferana

Sakafo voarara

Jambon, akoho, trondro : in-dray isan’andro, enina andro anatin’ny herin’andro

Atody

Karazam-boakazo rehetra, noix, noisettes,   amandes

Légumes : artichaut, karoty, céleri, choux, concombre, haricots et pois verts, laitue, ovy, salady, voatabia

Céréales :mofo fotsy; pâtes, vary, sakafo vita amin’ny lafarinina rehetra

 Dibera, crème, menaka

Siramamy, tantely, confitures

 

Hena, trondro (100 g/andro), hazan-dranomasina ;

Voa-maina (petits pois, lentilles), Epinards ;

Atody, ronono sy ny akora vita aminy

Taovan-kena (atin-kena, vorivorin-kena, voan-kena, lelan-kena, atidohan-kena sns) ;

Sardines, anchois, atodin-trondro

Tsiron- kena (bouillon, gelée) ;

Charcuteries, gibier ;

Henam- biby tanora

Champignons ;

Fromazy  be loatra

Mayonnaise, crème, saosy matavy;

Kiendiendy, sokolà, kakao

Divay Bourgogne, Champagne.